4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sedra - Lolo sy ny tariny

Dia nisy ahiahy tao am-poko tao
Dia nisy hakiviana ihany koa
Dia nisy ranomaso nikoriana
Dia nisy sentosentom-pijaliana
Dia nisy ny fotoana nidongiana
Izany no atao hoe sedra

Dia nisy koa ny teny tsy tana
Dia nisy ny fihetsika adala
Dia nisy lolom-po tao anaty
Dia nisy ny fiteny nahafaty
Dia nisy ny fotoana nidongiana
Izany no atao hoe sedra

       Tsy ho haiko na oviana na oviana
       Ny hilaza nanahoana, nanahoana
       No nahatonga ireny tao am-poko tao
       Nampiady ahy taminao

       Ô indrisy fa tsy ampy ny herin-tsaina
       Fa niova ilay fitia nantenaina
       Ka ny avo no antsoina
       Hanampy sy hanohana

Fa misy koa ny teny tsy tana
Fa misy ny fihetsika adala
Fa misy lolom-po ao anaty
Fa misy ny fiteny mahafaty
Fa misy ny fotoana idongiana
Izany no atao hoe sedra

               Hay ve nofy ny fitia
               Fa ny teny no tsara lahatra
               Hay ve mora ny manadino ilay tiana
               Mora ihany ny mangoraka
               Ny ao am-ponao ao
               Fa toa sarotra ny miaina ny fitiavanao, nefa

Na hisy ahiahy ato am-poko ato
Na hisy hakiviana ihany koa
Na hisy ranomaso hikoriana
Na hisy sentosentom-pijaliana
Na hisy ny fotoana hidongiana
Fantaro fa ianao no tiako

LOLO SY NY TARINY (Hanitra)

Partager sedra

Commenter sedra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite